08 martsa 2021 – Arahabaina ny vehivavy malagasy rehetra. Faly miarahaba anareo vehivavy Malagasy rehetra ny tenako amin’izao andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny zonareo izao. Manana anjara toerana lehibe tokoa ianareo eo amin’ny fiaraha-monina, ary tsy vitsy aminareo no mitana andraikitra amin’ny ambaratongany isan-tsokajiny eto amin’ny firenena. Mankahery anareo ny tenako hahatontosa an-tsakany sy an-davany izany adidy sy andraikitra izany. Ho an’ny mpikambana ao amin’ny fikambanana Vehivavy Malagasy Miara Miainga manokana, ho fanilo hanoro làlana mahitsy hatrany ianareo amin’ny sehatra rehetra andraisanareo andraikitra eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena, ary hamindra aina amin’ny mpiara-belona sy ny taranaka fara sy dimby, ho reharehan’ny antoko.
Ny Filohan’ny Antoko MMM
Hajo ANDRIANAINARIVELO