Tenin’ny Filoha Nasionaly

Ny fampandrosoana sy ny fanovàna ny tantaran’i Madagasikara dia tsy vitan’olon-tokana fa adidin’ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka. Zava-dehibe loatra araka izany ny fisian’ny Antoko Politika satria ao no ambohim-pihaonan’ireo mitovy fomba fijery, manan-kevitra entina hanasoavana ny mpiray tanindrazana sy te hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanasoavana ny firenena.

Ilaina ny fifanomezan-tanana, ny fisokafana amin’ny hafa, ny falalahan-tsaina ary indrindra ny fanambarana hery satria hazo tokana tsy mba ala, ary tondro tokana tsy mahazo hao. Resy lahatra aho, fa mendrika ho avy tsara kokoa i Madagasikara rehefa isika rehetra no miara-mientana, mandeha amin’ny lalana mahitsy, ka miara-miainga manakatra ilay hazavana vaovao hitondràna hasambarana ho an’ny isan-tokantrano.

Hajo Andrianainarivelo

Ireo Vina

Madagasikara miadana sy finaritra, mifototra amin’ny fanomezana ny andraikitra
sahaza ny olom-pirenena tsirairay avy sy ny fanomezana lanja ny
tomponan’andraikitra eny ifotony mba hahafahan’izy ireo manohana sy
mampiroborobo ireo tetik’asa mahasoa ny firenena. Tetikasa izay miainga avy eny
ifotony, avy amin’ny fitondram-panjakana na avy amin’ny sehatra tsy miankina
malagasy sy vahiny.

IREO TOLO-KEVITRA LEHIBE

Fitsinjaram-pahefana tena izy, mifototra amin’ny fitsinjaràna ara- drariny ny volam-panjakana sy ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana eny ifotony.

Fampandrosoana ho an’ny rehetra, mampiroborobo ny tontolo ambanivohitra sy mitsinjo ny tontolo an-drenivohitra.

Fitsinjovana ny tontolo iainana sy ny maha-olona mba hisian’ny fampandrosoana lovain-jafy.

Fisitrahan’ny olom-pirenena rehetra ireo filàna fototra (sakafo sy rano fisotro madio), ny fitsaboana ary ny fampianarana sahaza azy ireo.

Fampanjakana ny miralenta, tsy anavahana ny maha-lehilahy na ny maha-vehivavy ny fandraisana andraikitra amin’ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena sy ny fananana asa mendrika sy mahavelona.

Fanajàna ny soatoavina repoblikanina sy demokratika, mifototra amin’ny fandraisan’andraikitrin’ny rehetra, ny falalahana, ny fifanakalozan-kevitra ary ny fanajàna ny fisarahan’ny fahefana mpanatanteraka, mpanao lalàna ary mpitsara.

Fanjakana tsara tantana, fitaratra amin’ny fanajàna ireo lalàna velona, lavitrin’ny kolikoly, lavitrin’ny fitsaràna mitanila ary lavitrin’ny fandaniana fahatany ny volam-panjakana mba hitsinjovana ny tombontsoa iombonana

Famerenana ny hasin’ny maha-malagasy eny amin’ny fiaraha-monina, indrindra ny firaisan-kina sy ny fihavanana mba hisian’ny fifampitsinjovana sy fandriam-pahalemana.

Fanatsaràna ny fampianarana ambony ary fanomezana lanja sy tohana ireo mpikaroka, manam-pahaizana ary manan-talenta malagasy amin’ny sehatra rehetra, na eto an-toerana na any ivelany mba ho reharehan’ny firenena iray manontolo.

Fisokafana amin’izao tontolo izao, fandraisana ireo traik’efa nahomby tany amin’ny firenen-kafa ka mety hahomby eto Madagasikara ary fifanakalozana ara-barotra sy ara-kolontsaina izay tsy manitsakitsaka ny zon’olombelona.