Ny MMM ao Eropa

Manana mpikambana mila ravinahitra any ivelany ny Antoko Malagasy
Miara-Miainga, izay mivondrona ao anatin’ny rantsana MMM Eropa. Izy ireo
dia mandray anjara feno amin’ny fampiroborobona ny Antoko satria dia
mitondra ny heviny sy ny fomba fijeriny mikasika ny fampandrosoana an’i
Madagasikara sy manoloana ny toe-draharaham-pirenena.
Mpitarika ny MMM Eropa
Désiré TODIZARA
00330626097027  – dtodizara@gmail.com

Ny Fikambanana IDC-CDI

Nanomboka ny taona 2016 dia mikambana ao anatin’ny
fikambanan’Antoko iraisam-pirenena « International Démocrate-Centriste
», fantatra amin’ny hoe IDC-CDI ny Antoko Malagasy Miara-Miainga. Ny
fikambanana IDC-CDI dia niforona tamin’ny taona 1961 ary ankehitriny dia
miisa 109 ireo antoko politika mivondrona ao anatin’izany izay
misandrahaka manerana ny firenena miisa 83.
Ny Antoko Malagasy Miara-Miainga dia mandray anjara feno amin’ireo
fivoriana ataon’ny IDC-CDI ary mitondra ny heviny manoloana ireo
fanapahan-kevitra rehetra raisina ao anantin’ity fikambanana ity.
Ny fisokafana amin’izao tontolo izao dia lalana iray entina hitadiavana
vahaolana sy izay mety ho tombontsoan’ny firenena malagasy manoloana
ireo olana rehetra izay sedraina amin’ny lafiny ara-tsosialy sy
ara-toekarena.
Photo IDC CDI 1