Rantsana

Ny TMMM

Filoha Nasionalin’ny Tanora Malagasy Miara-Miainga : Andry Harilala Ratavilahy – 034 05 542 04

Ny Tanora Malagasy Miara-Miainga (TMMM) dia rantsana iray ao anatin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, izay hikambanan’ireo tanora 18 ka hatramin’ny 40 taona. Ny antom-pisian’izy ireo dia ho fanomezana lanja be be kokoa ny fandraisan’anjara ny tanora eo amin’ny sehatra politika. Mitaiza ny tanora Malagasy andeha amin’ny lalana mahitsy hatrany ary mampiofana azy ireo amin’izay tsara ho fantatra rehetra mikasika ny fitantanana ny raharaham-pirenena.

Ankoatra izay dia mifanome tanana amin’ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga ihany ko any TMMM amin’ny fanaovana ireo asa sosialy marobe. Fa indrindra amin’ny fanatanterahana ny hetsika didim-poitra faobe sy ny fananganana ireo toeram-pitsaboana “Centre de Santé Mamindra Aina – CSMA”.

Ny VMMM

Filoha Nasionalin’ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga : Hermine RALIHARISOA – 034 71 336 16

Ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga (VMMM) dia rantsana iray ao anatin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga. Manana tanjona goavana roa ny VMMM :

-Voalohany dia ny famporisiana ny vehivavy Malagasy andray anjara amin’ny sehatra politika sy handray an-tanana ny ho avin’ny firenena. Maro araka izany ireo fiofanana ataon’ireo VMMM mba hatratrarana izany tanjona izany.

-Faharoa dia ny fanatanterahana asa-sosialy mba ho fanasoavana ny fiaraha-monina sy ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny tsirairay.

Efa maro dia maro ireo asa sosialy vitan’ny VMMM. Ao anatin’izany : ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny “accompagnement psycho-social” izay natao hiainoana sy hanampiana ireo vehivavy manana olana eny amin’ny fiaraha-monina rehetra eny, ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary, ny fanaovana didim-poitra faobe, ny fananganana ireo toeram-pitsaboana “Centre de Santé Mamindra Aina – CSMA” sy ny maro tsy voatanisa.