Nihaona tamin’ireo tanora, mpianatra ary mpampianatra tao Fenoarivo Atsinanana ny Filoha Nasionalin’ny MMM, Hajo Andrianainarivelo, sy ny Loholona lany tao amin’ny faritany Toamasina Sidonie RAHARINIRINA, niheno ny hevitr’izy ireo no sady nampahafantatra ny vinan’ny antoko mahakasika ny fampianarana ambony sy ny fikarohana eto Madagasikara.