HO AN’NY RAY REHETRA ARAHABA NAHATRATRA NY FETIN’NY RAY Firarian-tsoa sy fiarahabana no atolotro ny Ray Malagasy rehetra nahatratra izao andro manokana natokana ho an’ny Ray izao. Mitondra am-bavaka antsika amin’ny fiantrehana ny adidy sy andraikitra rehetra amin’ny maha andry iankinan’ny ankohonana sy reharehan’ny fianakaviana ary ohatra ho tarafin’ny mpiara-monina. Ho antsika Ray mpikambana ato amin’ny Antoko Malagasy Miara Miainga, mitodika manokana amintsika aho, hitondra rivotra vaovao hamindra aina amin’ny mpiara-belona rehetra, ho mpanoro làlana mahitsy ireo taranaka aoriana anie koa hahomby sy hahefa eo amin’ny adidy sy andraikitra sahanintsika rehetra.
« Izay manoro làlana mahitsy, mamindra aina »