29 mars 1947-29 mars 2021

29 mars 1947-29 mars 2021

Isan-taona dia tsiahivina manokana, amin’ny andron’ny 29 martsa, ireo ray aman-dreny nanao vy very ny ainy mba hanaisorana ny Malagasy sy Madagasikara eo ambany vahoan’ny mpanjanaka. Ankehitriny isika dia ao anaty tolona tanteraka ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, ary indrindra ihany koa amin’ny ady hisorohana ny fipariahan’ny valan’aretina Covid-19. Tolona iraisan’ny malagasy rehetra izany rehetra izany ary tolona mitaky firaisan-kina sy firaisan-tsaina. Koa manentana ny Malagasy tsirairay mba hiombo-po amam-panahy hifanome tànana amin’ny vahaolana sy ny paik’ady rehetra mahomby hitondrantsika ny firenentsika any amin’ny fandrosoana ho lovain-jafy, sy handresy ilay aretina izay fahavalo iombonana ka ho Madagasikara mandroso sy lavitry ny Corona Virus no hapetratsika ho an’ireo taranaka.

Andro manokana ihany koa ny andro anio ho an’ny firenena, hanaovana veloma farany ny Ray aman-Dreny Amiraly Didier RATSIRAKA nitondra sy nitantana ny firenena am-polo taonany maro. Hiaraka hiombom-bavaka isika ho an’ny fialan-tsasatry ny fanahiny, ary ho fankaherezana ny fianakaviany.

Ny Filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga

Hajo ANDRIANAINARIVELO

Share: