Toy ny fanao isan-taona dia tontosa ny 22 Febroary 2020 ny fambolen-kazo nataon’ny fianakaviamben’ny Antoko Malagasy Miara Miainga teny Fiaferana Avaradrano.
Zanakazo miisa 2 600 isa sy zana-boasary 300 isa no novolena ary mba ho tanàna maitso no tanjona araka ny vina izay napetraka.
Nanambara ny filohan’ny Antoko Andriamatoa Hajo ANDRIANAINARIVELO fa raha tiana ny handeha lavitra dia ireo namana no atao tsara karakara dia ny fifanampiana amin’ireo mpiara-belona izany sy ny fifanomezan-tanana. Nambarany ihany koa fa antoko manana ny maha izy azy ny antoko Malagasy Miara Miainga ary tsy hikely soroka amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara fa vonona hatrany hiasa ary hampiasa ny fahaiza manao ho an’ireo mpiara-belona.
Nohamafisiny ihany koa ny hoe samia mihezaka manao soa sy ny tsara ary hitondra mamy ho an’ny mpiray tanindrazana aminy ireo mpikambana eo anivon’ny antoko any amin’ny faritra rehetra niaviany tsirairay avy mba ho reharehan-ny antoko sy ny vahoaka.
Ny mpikambana ao amin’ny antoko MMM kosa dia nitondra loko ho fanomezana ho an’ny kaominina Fieferana ho entina hanatsarana ny birao eny an-toerana.
Izany rehetra izany dia nofaranana tamin’ny nofokena mitam-pihavanana izay tsy hanina ka hahavoky sanatria fa voninahitra hifanomezana.
IZAY MANORO LALANA MAHITSY MAMINDRA AINA.