Nifarana ny Alakamisy 21 Febroary 2020 ny fiofanana nomena ireo ben-tanàna lany teo anivon’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga. Nanambara ny filohan’ny Antoko fa Antoko miaina sy mandroso ny Antoko Malagasy Miara Miainga. Ny teny filamatry ny antoko hoe « Izay manoro làlana mahitsy mamindra aina » dia mampiseho fa ny fanekena nataon’ny antoko dia ny hiezaka hanampy amin’izay asa vitany amin’ny fitantanana sy fampandrosoana ny tanàna misy ireo mpikambana tsirairay, indrindra ireo manana andraikitra ambony toy ny ben’ny tanàna, ny tompon’andraikitra ambony anaty ministera, ny ministra, …
Aoka isika rehetra ho sahy hijoro sy handray andraikitra ary tsy ho menatra ny maha Malagasy Miara Miainga antsika.
Misaotra ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) amin’ny fanohanany hatrany ny antoko Malagasy Miara Miainga hatramin’izay hatramin’izao
Ny antoko Malagasy Miara Miainga dia tsy miova fa miara dia sy miara miasa tanteraka amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nandray anjara lehibe tamin’ny fampandaniana azy isika ary miara dia sy miara miasa aminy amin’ny fampandrosoana ny firenena sy fanatanterahana ny vina sy velirano nataony, amin’ny alàlan’ny asa hataontsika amin’ny sehatra misy antsika avy