ANTOKO “MALAGASY MIARA-MIAINGA”
FANAMBARANA
Ny Birao Politikan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, rehefa nivory ,namakafaka ny Raharaham-pirenena, ny Alakamisy 05 Marsa 2020 dia:
– MANKASITRAKA ny fandanian’ireo Solombavambahoaka maro an’isa, ireo “Ordonnances” 09 izay noraisin’ny Filohampirenena tamin’ny fotoan’androny ary isaorana azy satria mifanojo amin’ny fotokevitry ny Antoko.Izany dia nahafahana nanatanteraka ireo tetik’asa maro sy ny programa izay nifanekena.Porofo mivaingana ny amin’ny fisian’ny fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ireo Vina izany. Ny fandanianan’ny Solombavambahoaka maro an’isa ireo “Ordonnances” 09 ireo dia mariky ny mbola fanohanan’ny vahoaka ny Filohampirenena amin’ireo fanapahan-kevitra efa noraisiny sy ireo mbola ho raisiny. Mazava fa misy ny mpanohitra eto amin’ny Firenena ary misy ihany koa ny mpanohana. Izany no mariky ny fisian’ny Demokrasia. Ny Malagasy Miara-Miainga dia anisan’ny mpanohana izao Fitondrana.
– Marihina fa ny FITSIPAHANA ireo “Ordonnances 09” izay mahakasika ny Lalàna fanenjehana ireo “Harena tsy hita fototra”(Avoirs illicites), ny lalàna nahafahana nanatanteraka ny fanamboaran-dàlana, ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana, ny Lalàna fampihenana ny isan’ireo Loholona, ny tolo-dalàna mikasika ny Fiarovana ireo Otrikarem-pirenena (Mines) sy ny ambiny dia midika ho fanoherana mbontolo ary tena sakana ho amin’ny fampandrosoana. Ny Malagasy Miara-Miainga dia manameloka izany fomba fijery izany satria isan’ny endrika fanozongozonana ny fitondrana misy amin’izao fotoana izao izay efa miezaka na dia misy aza ny sakantsakana samihafa.
– Mizotra makany amin’ny fandavorariana ireo Asa maro entina hampandrosoana, ary tafiditra eo amin’ny dingana manaraka toy ny fananganana ireo rafi-panjakana rehetra efa mijoro; ny asa sahanin’ny BIANCO sy ny PAC izay misy vokatra azo tsapain-tànana, ny fitsanganan’ny Haute Cour de Justice. Noho izany rehetra izany dia tsy mahagaga raha toa ka miha mafy ireo sakana ataon’ireo mpanohitra. Fa tsapa ihany koa ny fitavozavozana sy tandrevaka avy amin’ireo tompon’andraikitra sasany; toy ny vaovao farany teto amin’ny Firenena izay nampisavorovoro ny saim-bahoaka mahakasika ny kara-panondro sy ny lisi-pifidianana. Heverinay fa ilana fanadihadiana lalina avy amin’ny tompon’andraikitra io tranga io mba hampazava ny toe-draharaha.
– Ny Malagasy Miara-Miainga koa dia MAHATSAPA fa miroso tsy azo lavina mankany amin’ny Fitsinjarampahefana tena izy ny Firenena. Noho izany dia tsy azo ekena intsony ireo fihetsika sy fomba mety hampiverin-dalana.
Eto am-pamaranana, ny Antoko Malagasy Miara-Miainga dia manainga ny vahoaka, ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany hifantoka, handray ny andraikitra tandrify ny tsirairay, hiatrika ary hifanolo tanana manoloana ireo asa fampandrosoana fa izay no tena ny fitiavan-tanindrazana.