Araka ny fantantsika dia tafiditra eto amintsika io tsimok’aretina io ankehitriny, na dia efa nandray fepetra ary isika hisorohana ny fidirany teto Madagasikara.
Sedra sy ady iraisan’izao tontolo izao ny fiadiana amin’ity valan’aretina ity. Ny fiarahana mientana sy ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ireo toro-marika izay efa nambaran’ny Filohampirenena no fiarovana sy antoka voalohany hahafahana mampihena ny fipariahany ny valan’aretina sy hampahomby ny fitsaboana.
Koa manainga antsika mpiray tanindrazana hiatrika izany am-pitoniana, ao anatin’ny firaisian-kina sy fanekena sy fanarahana am-pahendrena ireo toro-marika rehetra.
Hanaja ny fahadiovana, ny fihetsika fiarovana, ny fepetra fitokanana, fampilazana ny manam-pahefana ireo trangan’aretina eny anivon’ny fiaraha-monina. Izany dia mba hiarovana antsika sy ireo manodidina antsika amin’ny fipariahan’ny aretina.
Eto dia mitodika manokana amintsika rehetra mpikambana ato amin’ny antoko Malagasy Miara Miainga ny tenako, aoka isika ho fitaratra ho an’ny mpiray tanindrazana amin’ny fankatoavana sy fanarahana ny fepetra sy toro-marika rehetra amin’izao ady iarahantsika izao.
Hiara hiainga isika hifanome tanana hiaro ny ankohonantsika, ny mpiara-monina amintsika hiady sy hamongotra ity aretina ity eto amin’ny firenena.
Mahatoky ny fahendrena sy fahaizan’ireo manam-pahaizana Malagasy isika ka hifanampy amin’izy ireo amin’izany ady izany.
« Izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina »
Hajo ANDRIANAINARIVELO
Filohan’ny Antoko MMM