Fifidianana Loholona Faritany Toamasina

Fifidianana Loholona Faritany Toamasina

Malagasy Miara Miainga | Toamasina | Fihaonana tamin’ny ben’ny tanana sy mpanolo-tsaina ary ny kandida Loholona Rehefa voapetraka teny amin’ny OVEC teto Toamasina ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana ho Loholon’i Madagasikara an’ireo kandida mandrafitra ny listra avy amin’ny antoko Malagasy Miara Miainga dia nihaona tamin’ireo Ben’ny tanana sy mpanolo-tsaina avy amin’ny antoko Malagasy Miara Miainga sy vondrona tsy miankina avy eto amin’ny Faritanin’i Toamasina ireo kandida nilatsaka niaraka tamin’ny Filoha Nasionaly ary ny birao politikan’ny antoko anio sabotsy 10 oktobra 2020.Fifanakalozan-kevitra, fifampizarana ary dinidinika amin’ny toe-draharaha politika sy ny ho fifidianana izay ho loholon’i Madagasikara no niompanan’ny resaka.Manana foto-kevitra hijoroana ny antoko ary tsy mivoana amin’izany foto-kevitra izany. Amin’ny alàlan’ny asa no nanohanana sy mbola hanohanana ny fitondrana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina. Hentitra ny Filoha mpitarika ny antoko Malagasy Miara Miainga, Hajo ANDRIANAINARIVELO, manoloana ireo izay mitady hanararao-pahefana amin’izao fifidianana senatorialy ho avy izao, tsy ekeny ary tsy ho ekeny mihitsy ny fampitahorana sy fandrahonana ataon’ny olom-boatendry amin’ny olom-boafidy. Nampandany ary miara-dia sy miara miasa amin’ny Filoha Andry Rajoelina ny MMM, hoy izy ary manaja ireo fifanarahana rehetra natao taminy. Nanome toky ireo ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina fa hanao izay tratry ny heriny hampandrosoana ny Kaominina misy azy ireo avy, ary hiaro hatrany ny voninahitry ny antoko.

84Vous et 83 autres personnes5 commentaires65 partagesJ’aimeCommenterPartager

Share: