Antoko Malagasy Miara Miainga | Distrika Antananarivo Avaradrano sy Atsimondrano | Fizarana Masomboly sy zezika ho an’ireo Tantsaha Isan’ny fitsinjovana ihany koa ny vahoaka ny fanampiana azy amin’ny fiatrehany ny asa fiveloamany. Teboka lehibe ao amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny antoko Malagasy Miara Miainga ny fametrahana fampandrosoana miainga ifotony amin’ny alàlan’ny fampandraisana anjara ny isam-batan’olona amin’izany. Mba hanamaivanana ny fiatrehan’ireo tantsaha mpamboly izao hamehana sy fihibohana izao, dia nizara masom-boly sy zezika ho an’ireo mpamboly ao amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Manjakandriana tao amin’ny Kaomina Manandriana, Fiaferana, Ambohimanambola, Ambohitrimanjaka, Carion, Ambalavao, Andranonahoatra, Itaosy, Ambavahaditokana, Ambohitrabiby ny mpikambana Malagasy Miara Miainga. »Izay manoro làlana mahitsy mamindra aina »

Share: