#MalagasyMiaraMiainga | Fifidianana Loholona | Listra Antoko Malagasy Miara Miainga Antananarivo.Amin’ny maha antoko Politika mijoro ara-dalàna sy miaina ary miasa azy dia handray anjara amin’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara izay hatao ny 11 desambra 2020 izao ny antoko Malagasy Miara Miainga. Faritanin’Antananarivo sy faritanin’i Toamasina no hanoloran’ny antoko MMM listra ho fidiana loholon’i Madagasikara. Tontosa anio alatsinainy 12 oktobra 2020 maraina ny fametrahana ireo antontan-taratasy filatsahan-ko fidian’ireo mandrafitra ny listra Malagasy Miara Miainga eto amin’ny Faritanin’Antananarivo
Ireto avy ireo mandrafitra an’izany lisitra MMM izany :
– RAKOTONDRAINIBE Andrianantenaina Michel (Pharmacien)
– RAVELONJATO Bernard Anselme (Chercheut-Enseignant, Ancien Député, Ex Questeur du CST)
– RATOVONANDRASANA Hantanirina Irène (Comptable, Ex CT)
– RAMONJY Mahazakamanana (Ingénieur Agronome)
– RANDRIANARIVONY Luna Fenohanitra (Styliste)