Fifidianana Loholona 2020

Fifidianana Loholona 2020

#MalagasyMiaraMiainga | Fifidianana Loholona | Fampahafantarana ireo kandida eto amin’ny Faritany AntananarivoNampahafantarina an’ireo mpikambana sy mpifiidy lehibe eo anivon’ny antoko Malagasy Miara Miainga eto amin’ny faritanin’Antananarivo ireo kandida dimy mianadahy mianaka mandrafitra ny listra MMM, ho amin’ny fifidianana Loholona ny 11 desambra 2020 ho avy izao, anio alatsinainy 12 oktobra 2020 teny amin’ny foiben’ny antoko teny Ankerana.Nanome voninahitra ny fotoana ny Filoha Nasionaly, Hajo ANDRIANAINARIVELO, ireo solombavam-bahoaka sy ny mpikambana ao amin’ny Birao Politika. Nanararaotra ny fotoana ny Filoha Nasionaly nanamafisany fa nanohana ary mbola manohana ny Filoha Andry Rajoelina ny antoko Malagasy Miara Miainga. Mandala ny fitsinjaram-pahefana ny MMM, ka izay no mahatonga azy handatsaka kandida amin’ny fifidianana Loholona ho avy izao. Isan’ny fototry ny demokrasia ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny antoko politika amin’ny fifidianana.Nambarany ihany koa fa tsy ekena ny fieboeboan’ny olom-boatendry ka mitady hanao ramatahora na hibaiko ireo olom-boafidy. Manana ny hasiny sy ny hajany ireo olom-boafidy satria ny vahoaka no nandany azy ireo. Tsy azo ekena intsony ary tsy ho ekena ny fomba fanao taloha izay tsy mitondra soa fa vao maika mampihemmotra ny demokrasiasy tsy mampandrosso ny firenena. Nitso-drano ireo kandida ny filoha nasionaly ary nametraka fa ny antoko matoa mandray anjara toa izao dia tsy maintsy mandresy.

Share: