Toy ny fanao isan-taona dia tontosa ny Sabotsy 06 Martsa 2021 ny fambolen-kazo izay nataon’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga tetsy Ambohijanaka Atsimondrano. Ho tontolo maitso lovain-jafy apetraka ho an’ny taranaka no tanjona amin’ny fambolen-kazo toy izao. Mpikambana mahery ny 2300 no tonga tamin’izany ary zanakazo 6000 no novolena tamin’izany.
Nandritra ny kabary nataon’ny filohan’ny Antoko Malagasy-Miainga, Andriamatoa Minisitra Hajo ANDRIANAINARIVELO no notsindriany fa Antoko manana ny maha izy azy ny antoko Malagasy Miara-Miainga ary tsy mihemotra amin’ireo adidy aman-andraikitra izay hiantsoroany. Vonona hatrany haneho hevitra, hiaro ny hevitra, ary hiady hevitra ho fanatsarana ny Antoko amin’ny maha antoko politika azy sy amin’izay rehetra ilana izany amin’ny fiainam-pirenena. Ny fifanenjehana dia tsy mitondra soa velively ho an’i Madagasikara hoy hatrany Izy.Tazana teny an-toerana ireo mpikambana avy amin’ny Antoko mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Andriamatoa Sekretera Jeneraly ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, ireo Senatera, ireo Solombavambahoaka, ireo Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina marobe manerana ny Nosy.Izany no tanteraka dia noho ny fitahian’Andriamanitra izay nofaranana tamin’ny nofokena mitam-pihavanana. Tsy hanina-ka hahavoky fa voninahitra hifanomezana.
« IZAY MANORO LALANA MAHITSY MAMINDRA AINA. »
















