Présentation de voeux 2021 du Parti Malagasy Miara-Miainga

Présentation de voeux 2021 du Parti Malagasy Miara-Miainga

Notanterahina ny Zoma 22 janoary 2021 ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2021 ho an’ny Antoko Malagasy Miara Miainga.Fotoana nitondran’ny mpikambana sy ny sampana rehetra ny firarian-tsoa ho an’ny Filoha mpitarika Hajo Andrianainarivelo sy ny fianakaviana. Ho an’ireo olom-boafidy eo anivon’ny antoko (Loholona, Solombavambahoaka, Ben’ny tanana, Mpanolo-tsaina kaominaly), sy ireo mpikambana ao amin’ny birao politika.Antoko velona Ary miasa ny Antoko MMM, marik’izany ny fandraisany anjara tamin’ireo fifidianana rehetra nisy teto amin’ny firenena (filoha, solombavambahoaka, kaominaly, senatorialy).Nanohana ny Filoha Andry Rajoelina nanomboka tamin’ny teteza-mita ka hatramin’izao ny antoko ary mbola manohana azy amin’ny alalan’ny asa ho fanatanterahana ireo veliranony. Fitaratry ny ho avin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny antoko MMM, hoy ireo olom-boafidy lany tamin’ny anaran’ny antoko. « Izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina. »

Share: