26 Mey 2021

Ankerana, 26 Mey 2021

Ny Filoha, ny birao politika, ny mpikambana rehetra ato amin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga dia maneho ny fiaraha- miory amin’ny Antoko MONIMA nohon’ny fahalasanan’ny Profesora Gabriel RABEARIMANANA, Sekretera Jeneraly.

Mankahery sy mitondra am-bavaka ihany koa ny fianankaviana. Very olomanga ny Firenena sy ny Fampianarana Ambony. Enga anie ka ireo solofo dimbin’ny ala rehetra ka ahay hisintona ny toetra feno fitiavan-tanindrazana sy fahamatorana ara-politika nananany ka hitondra avo ny voninahitrin’ny Tanindrazana sady Taninjanaka iombonana.

Mandria am-piadanana Profesora.

Share: