Mankalaza ny fahatelo taona ny Centre de Santé Mamindra Aina II Ankadindratombo Alasora izay an’ny fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga, izany moa dia nomarihana tamin’ny alalan’ny asa sosialy fanalana nify maimaimpoana sy didi-poitra maimaimpoana.
Maherin’ny 100 ireo nahazo fahasitranana tamin’ny resaka ati-vava ary 20 mahery ireo zazalahy natao didi-poitra.
Ny andron’ny Zoma 18 Jona 2021 moa no nankalazana izany fotoana lehibe izany izay notronin’ny filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga Hajo Andrianainarivelo mivady, Ny senatera voafidy teto Antananarivo Ndriana Michel Rakotondrainibe, ny Solombavambahoaka Avaradrano Andriambelosoa Naina, Ny Filohan’ny Fikambanana Hermine Raliharisoa, ny Filohan’ny Tanora Malagasy Miara Miainga Andry Harilala Ratavilahy, ny filohan’ny Malagasy Miara Miainga Alasora Romule.
Hisaorana ny mponin’alasora sy ireo mpitsabo misahana ny Centre. Ny fahasalamana no voalohan-karena hoy ny ireo mpitantana tao anatin’ny kabary nifandimby.











