Fotoana nifanomezana tamin’ireo zazalahy tao amin’ny Kaominina Fiaferana Avaradrano ny andron’ny Sabotsy 19 Jona 2021 ho amin’ny didi-poitra faobe.
Zazalahy maherin’ny 50 no natao didi-poitra tamin’izany, izany fotoana izany moa dia notronin’i Senatera Ndriana Michel Rakotondrainibe mivady, ny Ben’ny tanana Fiaferana, ary ny filohan’ny Tanora Malagasy Miara-MiaingaAndry Harilala Ratavilahy , sady nanolotra kilalao sy biscuit ary vatomamy ho an’ireo zaza.
« Izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina »








