Assise régionale 2021, faritra Sofia

Assise régionale 2021, faritra Sofia

Tontosa soamantsara ny fikaonan-doham-paritry ny antoko Malagasy Miara-Miainga teto amin’ny faritra SOFIA izay nandraisan’ireo solontenan’ny disitrika fito (7) izay misy ny rantsamangaikan’ny antoko MMM ato anatin’ny faritra. Nafana ny adihevitra sy fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fomba hitantanana sy hanatanjahana ny antoko manerana ireo disitrika, kaominina ary ny fokontany. Tao anatin’izany no nanavaozana indray ireo mpikambana ao anatin’ny biraom-paritra ka lany tamin’ny alalan’ny fifidianana ny mpikambana voatanisa manaraka eto:

  • Atoa RABEMARO Guy Clébert, avy amin’ny disitrikan’i BEFANDRIANA AVARATRA, MPANDRINDRAM-PARITRA
  • Atoa RAZANAKOLONA Pierre, misolo tena ny disitrikan’ iMAMPIKONY, MPANDRINDRAM-PARITRA LEFITRA VOALOHANY
  • Atoa RAVENASY Jean Emanuelson, avy any MADRITSARA, MPANDRINDRAM
  • PARITRA LEFITRA FAHAROA-VORISAOTRA Emmanuel, avy amin’ny disitrikan’i PORT BERGER, SEKRETERA JENERALY
  • Ramatoa RAVAOSOA Anastasie Prisca, misolo tena ny disitrikan’ny BEALANANA, MPITAMBOLA
  • Atoa TIANJARA Charlin, avy amin’ny disitrikan’ny MADRITSARA, MPANAMARIM-BOLA.

Izao fikaonandoham-paritra izao dia natrehin’ireo solontenan’ny Birao Politikan’ny antoko MMM.

« Izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina ».

#Assise_Regionale_MMM_2021

Share: