Ahoana ny fomba hanamafisana bebe kokoa ny rantsamaingaikan’ny antoko Malagasy Miara-Miainga eny ifotony ?Inona no anjara andraikitr’ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny faritra iadidiany? Inona avy ireo paika hatao mba hitondrana ny anjara birikin’ny mpikambana manoloana ireo olana ara-tsosialy sy ara-ekonomika mba entina hampandrosoana ny seha-piharian’ny tsirairay?
Niainga tamin’ireo volavolan-kevitra ireo no nanatanterahina ny FIKAONANDOHAM-PARITRY ny antoko Malagasy Miara-Miainga tato anatin’ny faritra Mahatsiatra Ambony, izay notanterahina teto Fianarantsoa.
Navaozina sy nohamafisina arak’izany ny Birao mpanatanteraka federaly teto anivon’ny faritra ka voafidy tao anatin’izany:
– Andriamatoa RALAIARIVELO Solofoniaina Philippe, avy amin’ny disitrikan’ny Fianarantsoa I, mpandrindram-paritra federaly.
« IZAY MANORO LALANA MAHITSY,MAMINDRA AINA »
#Assise_régionale_MMM_2021