Fikaonan-doham-paritry ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, faritra Anosy, ny 17 desambra 2021

Fikaonan-doham-paritry ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, faritra Anosy, ny 17 desambra 2021

Faritra roapolo (20) miaraka amin’ny Faritra ANOSY izao no nahavita ny fikaonan-doham-paritry ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Ny tsapa dia tsy nisy distrika latsaka fa voasolotena daholo ny mpikambana Malagasy Miara-Miainga rehetra nandritran’izany fivoriambe izany.Raha ny teto amin’ny faritra Anosy manokana, izay manana distrika telo: Taolagnaro, Amboasary Atsimo ary Betroka, dia tsapa ny fahavononan’ireo mpikatroka MMM amin’ny fandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena. Tonga nanatrika izao lanonana izao ihany koa ireo olom-boafidy rehetra (ben’ny tanàna, mpanolotsaina) mikambana ao anatin’ny antoko. Nafana ny adihevitra, indrindra fa mahakasika ny fampandrosoana eny ifotony. Sarotiny dia sarotiny ireo mpizaika amin’ny tokony hametrahana sy hampiharana ny tena fitsinjaram-pahefàna mba hahafahan’ireo faritra, distrika, kaominina ary ny fokontany hisitraka ny fampandrosoana mifanaraka amin’ireo harena hanànany. Hitohy amin’ny faritra hafa izao hetsika izao satria ny tanjona dia ny hanamafisana ny rafitry ny antoko ary indrindra indrindra fa ny fakan-kevitra ho an’ireo mpikambana manerana ny Nosy.

#Izay_manoro_làlana mahitsy_mamindra_aina

Share: