Ankafaliana indray ny mizara amintsika rehetra ireo zava-bitan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga nandritra iny taona 2021 iny. Ho tohizantsika ny asa amin’ity taona 2022 ity. Ny tanjona? Dia ny handraisana anjara amin’ireo asa fampandrosoana ny firenena eo amin’ny sehatra rehetra. Vonona handray anao hatrany ny antoko MMM. Hisaorana ny mpikambana rehetra nahavita adidy sy andraikitra. « Izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina ».