22 JONA 2022 – FITSIDIHANA AN’AMBATOMENA

22 JONA 2022 – FITSIDIHANA AN’AMBATOMENA

Tonga nitsidika ny Ben’ny Tanàna avy amin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, Jean Jacques Andriatodisoa, lany tao amin’ny Kaominina Ambatomena – Distrikan’Antsirabe faharoa ny Filoha Nasionaly, Hajo Andrianainarivelo, androany. Izao fitsidihana izao dia fanomezana lanja ny tontolo ambanivohitra sy ezaka fanohanana ny fitsinjaram-pahefana amin’ny alalan’ny fihainoina ireo hetaheta misy avy ety ifotony.Notokanana tamin’izany ny Toby Zandarimaria vaovao izay vokatry ny fifanomezan-tanana teo amin’ny Kaominina Ambatomena, ireo Solombavam-bahoakan’Antsirabe faharoa, ny Loholona MMM lany teto amin’ny faritany Antananarivo, Ndriana Michel Rakotondrainibe ary ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga .Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’izany ihany koa ny Tsenabe an’Ambatomena sy ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy.

Share: