An’isany mampiavaka ny Antoko Malagasy Miara-Miainga ny finiavana sy fahavononana mampiofana hatrany ireo mpikambana ao aminy mba ho mpikambana afaka hitondrà asa mivaingana ho an’ny firenena sy ho olom-pirenena tena mahavita azy. Ankoatra ireo fiofanana izay karakarain’ny Antoko dia maro be ireo mpikambana no mandray anjara amin’ireo fiofanana izay karakarain’ireo mpiara-miombona antoka avy eto an-toerana sy any ivelany.Araka ny voizin’ny Antoko ombieny ombieny dia tsy vitan’olon-tokana ny fitantanana sy fampandrosoana ny firenena. Tsy ho voafehy sy ho voavahan’ny fanjakana foibe avokoa ireo olana rehetra misy eny ifotony ka noho izany dia tsy azo idovirana ny fihainoana sy ny fanomezana ny fitaovana sahaza ireo tompon’andraikitra rehetra eny ifotony. Izay ilay fotom-pisainana miara-miainga.Ao anatin’ny telo andro dia solon-tenan’ny mpikambana isam-paritra miisa 80 no hofanin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga miaraka amin’ny Friedrich Ebert Stiftung Madagascar (FES Madagascar), mikasika ny fananganana fotodrafitrasa eny anivon’ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (Collectivités Territoriales Décentralisées), indrindra fa ny kaominina. Ao anatin’ireo mpiofana dia ahitàna Ben’ny Tanàna, Assistants parlementaires, mpandrindram-paritra, mpandrindra distrika ary mpikambana ao amin’ny Tanora Malagasy Miara-Miainga sy Vehivavy Malagasy Miara-Miainga.Fisaorana mitafotafo no atolotra ny FES Madagascar amin’ny fiaraha-miasa sy fanohanana rehetra hatramin’izay sy izay mbola ho avy.