FANAMBARANA 003/2022

FANAMBARANA 003/2022

Manoloana ireo toe-draharaha rehetra misy eto amin’ny firenena, ny Antoko Malagasy Miara-Miainga – MMM dia manao izao fanambaràna manaraka izao :

1.Melohin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga ny fihantsiana etsy sy eroa, na avy amin’iza na iza. Tany tan-dalàna i Madagasikara, ka fehezin’ireo andrim-panjakana sy ireo lalàna velona rehetra misy eto amin’ny firenena. Tsy azo ekena araka izany ireo fihoaram-pefy rehetra izay hiniana atao.

2.Amin’ny maha firenena manaja ny soatoavina demokratika an’i Madagasikara kosa, dia zo fototra ananan’ireo vahoaka ao aminy ny maneho hevitra an-kalalahana sy araka ny fitsipika entina hitandrovana ny filaminam-bahoaka rehefa misy ny toe-draharaha mankarary azy. Noho izany dia tsy ekena ny fanohitohinana ny fanehoan-kevitra atao am-palalahana sy am-panajana satria na misy aza ny tsy fitovian’ny fomba fijery dia samy te hikatsaka ho avy tsara kokoa ho an’ny Malagasy avokoa isika rehetra.

3.Ny fahasahiranana andalovan’ny firenena sy ny fahantrana hiainan’ny vahoaka malagasy amin’ny fiainana andavanandro dia tsy tokony atao fitaovana entina hanararaotam-pahefana na entina hanankorotanana ity firenena malalantsika ity.

Antananarivo, 24 Jolay

Ny Antoko Malagasy Miara-Miainga

Share: