Manoloana ny famonoan’olona mahatsiravina izay nitranga tao Ambolotarakely, Ankazobe, ny Zoma 29 jolay 2022 lasa teo, ny Antoko Malagasy Miara-Miainga dia :
1.Manameloka ny herisetra sy fihetsika feno habibiana izay namoizana ain’olona miisa 32.
2.Maneho fiaraha-miory amin’ny fianankavian’ny maty rehetra ary mitondra ny teny fampiononana avy amin-janahary ho an’ny mponina rehetra ao Ambolotarakely.
3.Mirary fahasitranana aingana ho an’ireo izay mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly.
4.Mamporisika sy mankahery ireo mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona izay manatanteraka ny asany amin’ny fikarohana sy fisamborana ireo nahavanon-doza, indrindra ireo ati-doha nikotrika.
5.Manasa ny fitsaràna hampihatra am-pahamarinana ny lalàna mifanandrify amin’ny heloka vitan’ireo rehetra tafiditra tamin’iny raharaha iny, mba ahafahana mamerina indray ny fahatokisan’ny olom-pirenena Malagasy ny fitsaràna sy ahafahana miady amin’ny tsy fahandriam-pahalemana.
Antananarivo, 03 Aogositra 2022