Tsena VMMM 2022

Tsena VMMM 2022

01 AOGOSITRA 2022 – ALATSINAINY IMERIMANDROSO

Nisokatra ny Alatsinainy 01 aogositra 2022, tao Alatsinainy Imerimandroso Distrikan’ Ambohidratrimo ny hetsika fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary izay karakarain’ny fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga amin’ity taona 2022 ity.

Izany hetsika izany dia natao indrindra hanamaivanana ny fiomanana amin’ny fidiran’ny mpianatra amin’ny taom-pianarana manaraka eo.Ity hetsika ity dia efa fanaon’ny VMMM nandritra ny taona maro ary hitohy ny volana aogositra iray manontolo manerana ireo kaominina marobe izay efa niomana ny handray izany.

Resy lahatra tokoa ny Antoko Malagasy Miara-Miainga fa ny fianarana no lova tsara indrindra, ary raha te hanova ny firenena isika dia ilaina ny manabe sy mampianatra ny zanaka malagasy rehetra mba hizotra amin’ny lalana mahitsy hatrany ary ho olom-pirenena tompon’andraikitra afaka hanandratra avo an’i Madagasikara.

Share: