Mahakasika ireo fotodrafitrasa lehibe izay tsy laharampahamehana

Mahakasika ireo fotodrafitrasa lehibe izay tsy laharampahamehana

Resaka autoroute : efa naneho ny heviny iny ny fiarahamonim-pirenena mikasika ny tsy fanajàna ny fepetra ara tontolo iainana fa misy olana be koa io amin’ny resaka ara-bola. Mba azontsika sary an-tsaina ve hoe efa izao ny fahasahiranana manjo ny firenentsika dia mbola hamoaka volabe 611 miliara Ariary amin’ny kitapombolam-panjakana ihany isika hamatsiana ilay “Autoroute” ? Mbola vao ampahany 15% fotsiny anefa io satria 923 tapitrisa $ na 3.863 miliara Ariary no vinavinaina hanamboarana azy.

Tsy vitan’izay fa «𝗮𝗽𝗽𝗲𝗹 𝗱’𝗼𝗳𝗳𝗿𝗲 𝗿𝗲𝘀𝘁𝗿𝗲𝗶𝗻𝘁» no nanaovan’ny fitondràna ny «passation de marché», izany hoe noferana mihitsy ireo orinasa mahazo mandray anjara amin’ilay tsenam-barotra.

Dia efa hitako eto fa hisy hilaza indray hoe alahelon-toerana sy misakana fandrosoana. Aza adino fa izahay anie no niala tao ary mahalala tsara an’io tetikasa io.

Rehefa tsy maintsy ho atao ilay izy dia ataovy «Partenariat Public-Privé» fa efa natombokay ny «Appel à Manifestation d’Intérêt» tamin’ny 2021 ary orinasa goavana miisa 10 no efa namaly ny antso. Rehefa PPP izy dia 𝗙𝗶𝗻𝗮𝗻𝗰𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁-𝗖𝗼𝗻𝗰𝗲𝗽𝘁𝗶𝗼𝗻-𝗖𝗼𝗻𝘀𝘁𝗿𝘂𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻-𝗘𝘅𝗽𝗹𝗼𝗶𝘁𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻-𝗠𝗮𝗶𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻𝗰𝗲 ataon’ny orinasa tsy miankina daholo. Izany hoe tsy misy na iraimbilanja ary miala amin’ny kitapombolam-panjakana fa ilay orinasa tsy miankina no mamatsy vola, mampiodina ary mikojakoja ilay Autoroute ary izy no mandray ny vola azo amin’ilay izy avy eo. Toy ny Autoroute rehetra any ivelany tsinona dia mandoa #péage izay rehetra mampiasa azy fa ny fanjakana kosa dia manara maso ny sarany.

Iray ampahefany amin’io tetibolan’ny autoroute io fotsiny no volan’ny fanjakana Malagasy madiodio hikojakojana ny lalam-pirenena rehetra : 157 miliara Ariary. Izay no hilazanay fa tsy fahaiza-mitantanana no misy eto ary tsy fisiana laharam-pahamehana. Efa natoronay ny fomba tokony hanaovana azy, raha manana volabe holaniana amin’io ihany ny fanjakana dia tokony hanampiana ny sehatra hafa izay miankina aman’aina (jiro, rano, fahasalamana, fampianarana, fambolena,sns…) sy hanatsaràna ny fiasan’ny Minisitera rehetra.

Tsy afaka hangina mihitsy izahay rehefa misy tsy mety hitanay, tsy kihana fahatany no ataonay mpanohitra fa resaka mitombona sy misy porofo avokoa. Somary lava fa raisiko ho adidy ny manazava azy tsara.

Share: