ANTOKO “MALAGASY MIARA-MIAINGA”, Fanambarana 11 Marsa 2022

ANTOKO “MALAGASY MIARA-MIAINGA”, Fanambarana 11 Marsa 2022

Ny Birao Politikan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, rehefa nivory, nandinika sy nifanakalo hevitra mahakasika ny Raharaham-pirenena, androany Zoma 11 Marsa 2022 dia nahatsapa fa tsy feno intsony ny fepetra mbola hahafahan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga hijanonana ao anaty governemanta.

Ka noho izany dia nanapa-kevitra ny Antoko fa tsy handray anjara amin’izay governemanta hajoro manaraka eo.

Ny Antoko Malagasy Miara-Miainga dia manolotra fisaorana ny Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA, nametraka fitokisana taminy nandritra izay fotoana niarahana niasa hampandroso ny firenena izay ary mamporisika azy hijery hatrany ny tombotsoa ambonin’ny Firenena.

Share: