Arahaba nahatratra ny paska 2020

Arahaba nahatratra ny paska 2020

Miarahaba antsika rehetra nahatratra izao andron’ny Paska miavaka izao. Ny fihibohana dia azo heverina fa hafatra avy amin’Andriamanitra mba handinihantsika am-pitoniana ny adidy sy andraikitra miandry antsika tsirairay avy.

Miantso manokana antsika mpikambana ao amin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga ny tenako mba hijoro sy hampiseho izay maha tompon’andraikitra antsika izay ka hifanome tànana sy hifanampy amin’ny mpiray Tanindrazana handresena ity valan’aretina ity.

Mankahery sy mitondra am-bavaka ireo rehetra miasa manolontena isan’andro ihany koa, olom-boafidy, mpiasam-panjakana, mpitsabo, mpitandro ny filaminana, mpilatsaka an-tsitrapo sns.. mba handresy toa ny Tompontsika.

Share: