Tonga nanatrika ny famaranana ny fikaonandoham-paritry ny antoko MMM faritra Atsinanana, izay notanterahina teto Vatomandry androany Alahady 03 oktobra 2021, ny filoha nasionalin’ny antoko, Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Birao Politika. Nanotrona an’izany ihany koa Ramatoa loholon’i Madagasikara voafidy tato anatin’ny faritany Toamasina ary ireo solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’i disitrikan’i Vatomandry sy Marolambo.
#Assise_régionale_MMM_2021