Assise régionale 2021, faritra Menabe

Assise régionale 2021, faritra Menabe

Ny antoko politika matotra dia antoko manaja ny soatoavina izay hijoroany ka manao tenierana sy maka ny hevitr’ireo mpikambana ao aminy rehefa hanapa-kevitra. Eo ihany koa ny fanànana rafitra isan’ambaratongany.

Notanterahina androany faha 30 oktobra 2021 ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy Miara-Miainga ka teto Morondava no nanaovana an’izany ho an’ny faritra MENABE. Nafana ny adihevitra tao anatin’ny asam-baomiera ary betsaka ireo soso-kevitra momba ny raharaham-pirenena sy ny raharahan’antoko izay natolotr’ireo mpizaika.

Tao anatin’ny fanajàna ny soatoavina demokratika tanteraka sy ny miralenta ihany koa no nanamafisana ireo rafitry ny antoko eo anivon’ny faritra sy ny distrika rehetra ao anatin’ny faritra Menabe.

Izao fikaonandoham-paritra izao moa dia natrehin’Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo, filoha nasionalin’ny antoko MMM sy ireo mpikambana eo anivon’ny Birao Politikan’ny antoko.

#Assise_régionale_MMM_2021

Share: