FIKAONAN-DOHAM-PARITRY NY ANTOKO MALAGASY MIARA-MIAINGA, FARITRA ATSIMO ANDREFANA
Vory lanona teto Toliara daholo ireo solon-tenan’ny mpikambana antoko Malagasy Miara-Miainga manerana ireo disitrika mandrafitra ny faritra Atsimo Andrefana. Nilamina ny fanatanterahina ny fikaonan-doham-paritra ary tao anatin’izany no nanavaozana indray ireo biraom-paritra federaly. Niompana tamin’ny fandinihana ny raharaham-pirenena sy ny fikaroham-bahaolana manoloana an’ireo disadisa isan-karazany mitranga eo anivon’ny fiaraha-monina ny adihevitra. Teo ihany koa ny fizaràna andraikitra ho an’ireo mpikambana Malagasy Miara-Miainga isan’ambaratongam-pahefàna eo anivon’ny Antoko.
Nisy arak’izany ny tahirin-kevitra navoaka izay entina hiasàna sy hampandrosoana ny faritra, ireo disitrika, ireo kaominina ary ireo fokontany.
« IZAY MANORO LALANA MAHITSY, MAMINDRA AINA






