Fambolen-kazo MMM 26 Febroary 2022 (Reboisement MMM 26 février 2022)

Fambolen-kazo MMM 26 Febroary 2022 (Reboisement MMM 26 février 2022)

Vita soa aman-tsara androany ny fambolen-kazo izay nataon’ny Antoko Malagasy Miara Miainga teny Ambohijanaka. Tontosa nandritra izany ihany koa ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga sy ny kaominina Ambohijanaka momban’ny fambolen-kazo sy ny fikarakarana izany mandavataona. Nandritra ny kabary nataon’ny filohan’ny Antoko MMM Andriamatoa Hajo ANDRIANAINARIVELO no nilazany fa manana olomboafidy maro ary lanim-bahoaka ny Antoko dia ny Loholona, Solombavambahoaka, Ben-tanana, Mpanolotsaina izany izay nanohana sy nampandany izao fitondrana izao. Notsindriany manokana ny antsojay maro samihafa izay atao amin’ny mpikambana any amin’ny faritra fa fitondrana iaraha-manana izy ity ka aoka tsy hifanilikilika ka asakasak’ireo izay mitady olana amin’ny Antoko MMM. Koa samia mandray izay tandrify azy ny tsirairay ao anatin’ny fampandrosoana.

“Izay manoro lalana mahitsy mamindra aina.”

Share: