Eo anoloan’ny fahapotehin’ny Tanàna izay tsy maintsy natomboka ny fanamboarana haingana,
Eo amin’ny fahasimban’ny fiaraha-monina eto andrenivohitra izay mila fihavanana vaovao,
Noho ny fikorosoam-pahan’ny fiainan’ny mponina eto Iarivo,
1. Rehefa mahatsapa fa tena vokatry ny fo ombam-piniavana ny fanoloran-tena hanompo Tanindrazana ka handray adidy hanampy ireo mpiara-belona ka hiarahana amin’ny ny Filoha Andry Rajoelina
2. Rehefa nahatsikaritra sy hita ny fahombiazana sy ny fahakingana teo amin’ ny fitantanan-draharaha izay sady matotra no antitra,
Izahay ato @ Antoko Malagasy Miara-miainga dia nanapan-kevitra fa:
– Hamaly ny antson’Andriamatoa Naina Andriatsitohaina, eo amin’ ny famerenana ny Hasina ny Renivohitra, indrindra eo amin’ireo tetikasa goavana naroson’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Izay hoentina hanitarana sy hanomezan’aina sy endrika vaovao an’Iarivo,
– Resy lahatra amin’ny fandaharan’asa natolony hiarahana misalahy
Ireo sampana sy ratsa-mangaika ny Antoko Malagasy Miara-miainga rehetra dia MIARA-MIAINGA amin’Andriamatoa Naina Andriatsitohaina, handresy lahatra ireo mbola misalasala. Hitaona ireo Olompirenena rehetra eto Iarivo fa maika isika ary tsy mialonjafy na ifanilihana ny fampandrosoana fa ny fahasamihafana aza no ho lasa tanjaka.
Ny fahombiazana no tanjona.
Antananarivo faha 11 novambra 2019.
Ny Birao Politika