FANAMBARANA 002/2023

FANAMBARANA 002/2023

ANTOKO MALAGASY MIARA-MIAINGA

FANAMBARANA LAHARANA FAHA 002/2023 MAHAKASIKA NY FAHALALAHANA HIFAMORY

Manoloana ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, TOKELY Justin, ny 31 Martsa lasa teo, izay mandrara ireo hetsika ara-politika atao an-kalamanjana ankoatra ireo hetsika karakarain’ny mpitondra fanjakana, dia tsy afaka ny hangina manoloana ny fanohitohina ny demokrasia  ny Malagasy Miara-Miainga – MMM fa manao izao fanambarana manaraka izao :

1.Melohinay io fanambaràna io satria fomba fanao efa nilaozan’ny toetr’andro tanteraka ny didin’ny be sandry sy ny famerana ny olom-pirenena haneho hevitra sy hifamory am-pilaminana, izay fahalalahana fototra arovan’ny andininy faha-20 amin’ny Fanambarana Iraisam-pirenena mahakasika ny Zon’Olombelona sy ny andininy faha-10 amin’ny lalam-panorenana Malagasy.

2.Tsy fanajana ny olom-boafidy : Ben’ny Tanàna, Mpanolontsaina ny tanàna, Solombavambahoaka ary Loholona io fanambarana io satria adidin’izy ireo amin’ny maha olom-boafidy sy mpanao lalàna ny fanaovana tatitra amin’ireo olom-pirenena nifidy azy ireo.

3.Ampahatsiahivinay ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry fa ny 17 janoary 2009 dia nametraka ny Kianjan’ny Demokrasia ny tenany mba ho fiarovana fahalalahana maneho hevitra sy mifamory. Ankehitriny ny fitondram-panjakàna tarihiny indray no manitsakitsaka izany fahalalahana izany.

4.Ny politika dia tsy ferana amin’ny fakàna fahefana fotsiny fa entina indrindra indrindra hijerena sy hampiharana izay hevitra heverina fa hahasoa ny fiainan’ny isan-tokantrano manoloana ny fahasahiranana isan-karazany.

Natao teto Antananarivo, ny 01 Aprily 2023

Share: