Fanolorana sy fitokanana sekoly, tao Ambohibazaha fokotany andraravola kaominina Ankadinandriana

Fanolorana sy fitokanana sekoly, tao Ambohibazaha fokotany andraravola kaominina Ankadinandriana

Notanterahona androany 11 Novembre 2021 ny fanolorana sy fitokanana ny sekoly vaovao teto Ambohibazaha, anatin’ny fokotany andraravola, kaominina Ankadinandriana.

Raha tsiahivina dia nanomboka ny Martsa 2020 ny fanombohana ny asa,niato kely nohon’ny covid ary nitohy ny novembre 2020; ary izao vita soamatsara izao.

Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha miasa eo amin’ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga, ONG Tanisoa sy Club St Pourcain /Sioule ary ny Malagasy Miara Miainga ankadinandriana.

Efitrano sekoly roa miampy ny fitaovana rehetra fampiasa ao anatiny. Mbola notolorana sinibe ihany koa ny teto amin’ny EPP Ambohibazaha afahan’izy ireo manangona rano. Nofaranana tamin’ny fiarha mifaly ny lanonana.

« Izay manoro lalana mahitsy mamindra aina »

Share: