Faritra Analanjirofo – Mananara Avaratra| Fifidianana Loholona

Faritra Analanjirofo – Mananara Avaratra| Fifidianana Loholona

#malagasymiaramiainga | Faritra Analanjirofo – Mananara | Fifidianana Loholona – Fitsofan-drano ny kandida MMM.Tonga nihaona tamin’ireo mpikambana, ben’ny tanàna ary mpanolo-tsaina avy amin’ny antoko Malagasy Miara Miainga eto amin’ny Distrika Mananara sy Maroantsetra, Faritra Analanjirofo, ny kandida mitarika ny listra ho fidinana Loholona MMM eto amin’ny faritanin’i Toamasina, Ramatoa RAHARINIRINA Sydonie, notronin’ny Filoha Nasionaly mpitarika ny antoko MMM, Hajo ANDRIANAINARIVELO, ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ifanadiana, Pierrot ANDRIAMIATRIKARIVO, ary mpikambana vitsivitsy avy ao amin’ny Birao politika, anio sabotsy 17 oktobra 2020.Fihaonana sy fifanakalozan-kevitra, fihainoana ny hetahetan’ireo mpikambana sy ben’ny tanàna no natao. Fa ny zava-dehibe indrindra dia ny fanatanterahana ny Fitsofan-drano an’ity kandida ity sy ny Filoha mpitarika ny MMM nataon’ireo Olom-be sy Tangalamena avy amin’ny Faritra. Tso-drano avy amin’ny Ray aman-dreny lehibe mba ho tafita soa amin’ny fifidianana izay ho hatrehina ho an’ny kandida ary hahefa ny andraikitra rehetra sahaniny amin’ny firenena ho an’ny filoha mpitarika.Nanamafy hatrany ny filoha mpitarika ny Antoko Malagasy Miara Miainga fa nanohana ary manohana ny filoham-pirenena ny antoko. Fanohanana hita taratra amin’ny alàlan’ny fanampiana azy amin’ny asa. Antoko miaina ihany koa ny MMM ary lojikan’ny demokrasia ny fandraisany anjara amin’ny fifidianana toa izao, Mbola nohantitrateriny ihany koa fa tsy azo ekena ary tsy ho eken’ny antoko mihitsy ny sekosekon’olom-boatendry tsy hanaja sy haneritery olom-boafidy.

Share: