fidinana ifotony sy fihaonana nataon’ny Fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga, tany amin’ny Faritra Atsinanana

fidinana ifotony sy fihaonana nataon’ny Fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga, tany amin’ny Faritra Atsinanana

Ny 18-19-20 ary 21 Novambra 2021 lasa teo dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo solotenan’ny mpikambana ao amin’ny Fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga tany amin’ny Faritra Atsinanana.

Maro ireo asa sosialy sy fifanakalozan-kevitra tamin’ireo vehivavy teny ifotony tamin’izany:

tao Vatomandry dia nisy ny fandokoana ny solaitrabe maherin’ny telopolo isa tao amin’ny EPP sy CEG Ambilakely, nisy ny fihaonana tamin’ireo VMMM tao an-toerana, nisy ihany koa ny fanolorona fanamiana sy aponga ho an’ireo mpanao vakodrazana tao, ary nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho ana-Kaominina miisa valo.

Ny tao Brickaville indray dia nisy fifanakalonzan-kevitra tamin’ireo birao vaovao ny amin’ny fampandrosoana ny fikambanana.

Ny tao amin’ny Kaominina Mahavelona Foulpointe kosa dia nisy ny asa fanadiovana ny tsena izay nataon’ireo VMMM, ny fandokoana ny solaitrabe tao amin’ny EPP Foulpointe.

Ny tao amin’ny Kaominina Antetezambaro indray dia nisy ny fanolorana loko izay noraisin’ny solotenan’ny Ben’ny Tanana sy ny sefo Fokontany.

Ny tao Ampasimbe kosa dia nisy ny fanolorana lambahoany ho an’ireo VMMM sy fihaonana ary dinidinika tamin’ireo birao vaovao.

Ary ny tao amin’ny Kaominina Fanandrana dia nihaona tamin’ireo mpikambana sy birao vaovao ary notolorana t-shirt sy lambahoany izy ireo.

Nahazo tombony avokoa ireo toerana nolalovan’ny VMMM tamin’ity fidinana ifotony tany amin’ny Faritra Atsinanana ity.

« Ensemble pour le développement »

« Izay manoro làlana mahitsy, mamindra aina »

#VMMM #Isika_Miasa

Share: