Namangy ny mpikambana Malagasy Miara-Miainga eto amin’ny Distrikan’i Betroka ny Filoha Nasionaly, Hajo Andrianainarivelo, miaraka amin’ireo solontena vitsivitsy avy amin’ny birao nasionaly.
Fotoana izay nahafahana mifanakalo hevitra entina hanatsaràna ny fiainan’ny antoko sy nifampizara ny fomba fijery mikasika ny raharaham-pirenena.
Tsy tonga antanampolo fa nitondra izay kely voatsirambin’ny tanana ireto solontena ireto. Masomboly voafantina, mifanaraka amin’ny toe-tany sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro no natolotra ho an’ireo namana eto amin’ny distrikan’i Betroka mba anampiana azy ireo amin’ny famokarana sy fihariana.