Tontosa ny Zoma 26 Novambra 2021 ny fikaonandoham-paritry ny Antoko Malagasy Miara-Miainga FITOVINANY ka tao Manakara no nanaovana an’izany. Nakotroka ny adihevitra tao anatin’ny asam-baomiera ary maro ireo soso-kevitra momba ny raharaham-pirenena sy ny raharahan’antoko izay natolotr’ireo mpizaika ho fanatsarana izany.
Izao fikaonandoham-paritra izao moa dia natrehin’ireo solotenan’ireo mpikambana eo anivon’ny Birao Politikan’ny antoko.
IZAY MANORO LALANA MAHITSY MAMINDRA AINA
#AR_MMM_2021_FARITRA_FITOVINANY







