Namoy namana, rahalahy mpiara mitolona matoky ny Antoko Malagasy Miara Miainga: RANDRIATEFIARISON Guillaume Venance (Guy Venance), namana niara-nanorina ny Antoko, niara-dia hatrany tamin’ny tolona rehetra natao sy ny fampivoarana ny Antoko. Nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena, Loholona teo aloha, Ministry ny Tontolo iainana teo aloha, Lehiben’ny Faritra Anosy teo aloha, mpikambana feno sy mavitrika tao amin’ny Birao Politika.Ny tenako, Filoha Nasionaly ny Antoko Malagasy Miara Miainga sy ny ankohonako dia maneho ny fiaraha-miory sy fankaherezana ho an’ny ny fianakaviana, ny mpikambana rehetra ao amin’ny sampana Malagasy Miara Miainga Taolagnaro, ny mpikambana rehetra ao amin’ny Birao Politika sy ny mpikambana MMM rehetra manerana ny Nosy.Tsy ho adino ny adidy sy ny zava-tsoa rehetra vitany ho an’ny tanindrazana sy ho an’ny mpiara-belona ary ny antoko. Mandria am-piadanana namana Guy Venance.
Hajo ANDRIANAINARIVELO