Anisan’ny fampanantenana nataon’ny Kandida Loholona, lisitra Malagasy Miara-Miainga nandritra ny fampielezan-kevitra ny hanamboarana ny làlana izay mampitohy Kaomina maro ao amin’ny Distrika Anjozorobe,Ity lisitra ity izay tarihin’i RAKOTONDRAINIBE Michel (Sénateur Ndriana) izay lany vonjimaika araka ny fanambaran’ny CENI ny 23/12/2020 teo.Marihina moa fa efa ny fiandohan’ny volana Desambra teo no nanombohan’ny asa ary efa vita izy ankehitriny, faly ny mponina satria anisan’ny tena nampikaikaiky ny mpampiasa làlana sy ny mpitatitra ny faharatsian’ny làlana.Kaomina Anjozorobe, Ambongamarina, Amboasary, Marovazaha, Amparatanjona, Andranomisa, Marotsipoy ary Betatao no nahazo tombony amin’izao asa izao.





