Madagasikara miatrika ny coronavirus

Madagasikara miatrika ny coronavirus

Isaky ny 29 martsa dia mahatsiaro ireo ray aman-drenintsika niatrika ny tolom-panafahana nataony hanafahana ny firenena sy ny malagasy teo ambany vahoan’ny mpanjanaka isika.

Ankehitriny miatrika tolona lehibe ny firenena sy ny vahoaka malagasy, tolona ilàna firaisan-kina sy firaisan-tsaina ary fiaraha-mientana mba ho tonga amin’ny fandreseana. Manainga antsika malagasy tsy ankanavaka hiombom-po amam-panahy, hifanome tànana hiara handresy ity valan’aretina mamely izao tontolo izao ity.

Miezaka andro aman’alina ny fitondram-panjakana mametraka ireo fepetra rehetra hisakanana ny fiombon’ny fiparitahan’ny otrik’aretina eto amintsika, mila ny fanampiantsika nefa izy amin’izany fa tsy vitan’ny mpitondra irery ny ady amin’ny Covid19. Koa ndeha hifanome tànana sy hifanampy isika mba samy hifanentana sy hanaraka ireo toro-marika rehetra mipetraka handresentsika izany fahavalo iombonana izany. Hiara hiainga isika hahatrarana ilay Madagasikara lavitry ny Corona Virus.

Hajo ANDRIANAINARIVELO

Filohan’ny Antoko Malagasy Miara-MiaingaZone contenant les pièces jointes

Share: