- Manoloana ny fanambarana nataon’ny Praiminisitra Ntsay Chrisitian mikasika ny fanajana ny demokrasia
Taorian’ny fanambarana nataon’Andriamatoa Praiminisitra tany Morondava tamin’ny 03 Aogositra 2023 teo, mikasika ny fanajana ny fenitra demokratika dia tohina tanteraka ny MMM ary mampatsiahy ireto zavatra manaraka ireto, izay nitranga nandritra ny fotoam-piasan’ny Praiminisitra ankehitriny :
-Tsy notanterahiny ny famerenana ny fifidianana Ben’ny Tanàna tamin’ireo Kaominina maromaro izay tokony natao, araka ny didy navoakan’ny fitsaràna tamin’ny taona 2020. Izany dia manitsakitsaka ny didim-pitsaràna sy ny fifandimbiasam-pahefana.
-Tsy najainy ihany koa ny fametrahana ny« Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée – ANRCM », izay rafitra manara-maso sy mandrindra ny serasera amin’ny haino aman-jery mandritra ny fotoam-pifidianana, araka ny andininy faha 205 amin’ny lalàna 2020-006 tamin’ny 01 septambra 2020 izay tokony napetraka fara fahatarany ny 01 septambra 2021. Miantoka ny fahamarinana sy ny fangaharahan’ny fifidianana ity rafitra ity.
-Nosakanany ny fivoriana politika ankalamanjana kanefa izany dia voafaritry ny andininy faha 21 amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny « Droits civils et politiques », ny andininy faha 10 amin’ny lalam-panorenana malagasy ary ihany koa ny andininy faha 28 amin’ny lalàna 2011-012 mikasika ny antoko politika.
-Nandà ny fihaonana tamin’ny solombavambahoaka nandritra ny fivoriana ara-potoana teny amin’ny Antenimierampirenena farany teo ny Governemanta tarihiny, kanefa dia zava-dehibe tokoa izany raha ny fenitra demokratika no resahana.
-Tsy mitsahatra mampiasa ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny Governemanta tarihiny, mba hamoretana ny mpanohitra sy hiarovana ny fitondràna.
-Vao tsy ela ihany koa ny Governemanta no nanome baiko ny Préfet sy ny Lehiben’ny Distrika hitety kaominina fara fahakeliny in-telo isan-kerinandro hanazava ny politikam-panjakana sy hitanisa ny zava-bitan’ny fanjakana ankehitriny. Izany dia fanerena ny manam-pahefana eny ifotony, izay miendrika fomba fanao tamin’ny fanjanahan-tany.
Ireo rehetra ireo dia mampiseho sy manamafy fa tsy modely tokony arahana mihitsy Andriamatoa Praiminisitra raha ny fenitra demokratika no resahana.
- Mikasika ny « caution » amin’ny fifidianana Filoham-pirenena
Efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny MMM fa Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo no Kandida hifaninana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena.
-Ny fidangan’ny vidim-piainana no nentin’ny mpitondra tenin’ny Governemanta nanamarinana ny fiakaran’ny « caution » izay nisondrotra avo efatra heny. Miaiky araka izany ny Governemanta fa niakatra avo efatra heny ny vidim-piainana nandritra ny 5 taona nitondran’ny Filoha Andry Rajoelina. (https://2424.mg/lalatiana-rakotondrazafy-evoque-linflation-pour-justifier-le-montant-de-la-caution-pour-la-presidentielle/)
-Araka ny filazan’ny mpitondra tenin’ny Governemanta, tao anatin’ny taratasy izay natao tamin’ny volana Aogositra 2023 teo, izay mikasika ny zotram-pifidianana, dia tsy ny « caution » 200 tapitrisa Ariary mihitsy no tokony ho vesatra ho an’izay mpifaninana maniry ny hirotsaka. Ho an’ny mpitondra tenin’ny Governemanta hatrany dia ireo antoko politika madinika, zara raha ampy mpikambana, no fototry ny olana fa tsy ny fizotry ny fikarakarana ny fifidianana. Ny filazan’ny mpitondra tenin’ny Governemanta dia mifanohitra amin’ny fenitra ara-demokratika, no sady fanilikilihana ireo Kandidan’ny antoko politika madinika ary ihany koa mifanipaka tanteraka amin’ny fanapahana laharana faha 15-HCC/D3 tamin’ny 03 mey 2018 mikasika ny lalàna 2018-008 miresaka ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ao amin’ny andininy faha 42. (http://www.hcc.gov.mg/?p=3266)
-Ny MMM dia resy lahatra fa ny sivana mahomby indrindra amin’ny filatsahan-kofidiana dia ny fahazahoana fankatoavana avy amin’ny olom-boafidy (na ny « parrainage » avy amin’ny Ben’ny Tanàna, ny Mpanolon-tsaina, ny Solombavambahoaka ary ny Loholona) araka izay voafaritra ao amin’ny lalàna fehizoro 2018-009 momba ny fifidianana Filoham-pirenena.
-Ny Kandida Hajo Andrianainarivelo dia mitsipaka marindrano ny tsy fanarahan-dalàna apetraky ny Governemanta mikasika ny sivana amin’ny « caution » ary mametra-panontaniana ihany koa amin’ny fahanginan’ny Fitsaràna avo momba ny lalam-panorenana. Kanefa raha izay no ahafahana manala ny mpitondra ankehitriny amin’ny toerany dia vonona tanteraka izy hiroso.
-Manana adidy isika ny hamerina an’i Madagasikara amin’ny lalàna tokony alehany satria maika isika. Avadintsika ihany koa ny pejin’ny 20 taonan’ny fifandirana ara-politika izay nitondra ny firenena tany anatin’ny lavaka mangitsokitsoka.
Sahy isika, maika hanorina ny ampitso !
Antananarivo, 07 Aogositra 2023