ANTOKO MALAGASY MIARA-MIAINGA
FANAMBARANA LAHARANA FAHA°006/2023
Imbetsaka nitondra fanazavana sy fanairana mikasika ny demokrasia eto Madagasikara teo anatrehan’ny fikambanana International Démocrate-Centriste (IDC-CDI) ny Filoha Nasionalin’ny Malagasy Miara-Miainga (MMM), Hajo Andrianainarivelo.
Manoloana izany dia nandray ny andraikiny ny Sekretera Jeneralin’ny IDC-CDI, Andriamatoa Antonio López-Istúriz, izay sady Solombavambahoaka Eropeanina, ka nahazo ny fanohanan’Andriamatoa David McAllister, Filohan’ny Vaomieran’ny raharaham-bahiny eo anivon’ny « Parlement Européen ». Ny 15 Jona 2023 dia nanoratra tany amin’Andriamatoa Josep Borell, Filoha Lefitry ny « Commission Européenne » no sady Mpisolotena Ambonin’ny Vondrona Eropeanina mikasika ny raharaham-bahiny izy ireo mikasika ny zava-misy eto Madagasikara.
Ny 10 Jolay dia namaly Andriamatoa Josep Borell ka nilaza fa mbola betsaka ireo fanamby miandry an’i Madagasikara amin’ny lafiny demokratika ary manaraka akaiky ny zava-misy aty Madagasikara izy ireo taorian’ny namoahan’ny Governemanta malagasy ilay naoty mandrara ny hetsika politika an-kalamanjana. Noho izany dia mipetraka ny ahiahy ho an’ny Vondrona Eropeanina manoloana ny tsy fanajana ny demokrasia eto Madagasikara ka mieritreritra ny handefa manam-pahaizana mikasika ny fifidianana izy ireo mba hanaraka ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena ho avy.
Ny MMM sy ny IDC-CDI dia afa-po amin’ny fiaraha-mientana misy eo amin’ny roa tonta izay nahafahana nitondra fanazavana bebe kokoa mikasika ny zava-misy eto Madagasikara amin’ny fiarovana ny fahalalahan’ny olom-pirenena sy ny demokrasia.
Antananarivo, Madagasikara, 12 Jolay 2023