
- Ny tsy fampidirana ny fanovàna ny lalàm-pifidianana ao anatin’ny lahadinika hodinihana mandritra ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemanta dia mampiseho sy manamafy fa ity fitondrana ity dia matahotra adihevitra ary manao izay hisian’ny korontana. Izany fanovàna izany dia efa notakian’ireo hery velona eto amin’ny firenena sy tafiditra tao anatin’ireo tolo-kevitry ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bolan’i Madagasikara.
- Ny sarintsarim-pifidianana Filoham-pirenena natao ny 16 Novambra 2023 dia niteraka krizy izay mbola tsy nikatona akory ka hitohy sy hiamafy indray raha toa ka atao an-tery ny fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly ka tsy hirosoana faran’izay haingana ny fifampiresahana eo amin’ny mpisehatra rehetra mba hanadiovana ny tokontanim-pifidianana.
- Rehefa tsy mbola nanolotra daty hanatanterahana ny fifidianana kaominaly ho an’ny Governemanta ny CENI dia tsy misy antony hanitaran’ny Governemanta ny fepotoam-piasan’ny olom-boafidy kaominaly. Izany no mampiseho fa tsy mahaleotena ny CENI ary ny Governemanta no mifehy ny asany.Efa tapitra tamin’ny 10 Janoary 2024 ny fe-potoam-piasan’ny olom-boafidy kaominaly ka ny tsy fisian’ny daty hanatanterahana ny fifidianana vaovao, izay tsy misy antony akory, dia mampiseho fa miaina anaty krizy politika sy tsy fahombiazana amin’ny fitantanana ny firenena.
- Mitohy ny fampiasan’ny mpitondra ny HCC amin’ny tsy ara-dalàna. Tsy anjaran’ny HCC no manome ny heviny mikasika ny fanitarana ny fe-potoam-piasan’ny olom-boafidy eny anivon’ny kaominina fa anjaran’ny filan-kevi-panjakana. Tsy misy antony intsony ihany koa hanaovana volavolan-drijatenin-dalàna entina hanovàna ny lalàna mikasika ny delegasionina manokana satria efa hitarina ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy. Atao izay fomba hanendrena olona tsy mpiasam-panjakana eo amin’izany toerana izany mba ahafahan’ny mpitondra manomana sahady ny hosoka mandritra ny fifidianana, indrindra ny eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
- Ny Antoko MMM dia manohy ny fitakian’ny « Collectif des Candidats » ny amin’ny tokony hanavaozana ny lalàm-pifidianana sy ny lisi-pifidianana, ny tokony hametrahana ny Fitsaràna manokana hisahana ny fifidianana ary ny fanovàna ny rafitry ny CENI satria ireo mpikambana ao amin’ny Fitsaràna avo momba ny lalàm-panorenana sy ny CENI dia mitanila sy fehezin’ireo mpitondra.
- Ny Antoko MMM dia miantso ny vondrona iraisam-pirenena mba hitandrina mikasika ny famatsiam-bolan’ireo fifidianana ho avy, miantso ny hery velona rehetra sy ny firaisamonim-pirenena handray ny andraikitra, satria ny mpitondra ankehitriny dia tsy mahavita miroso amin’ny fifampiresahana mba hamerenana ny fifampitokisana mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy eny ifotony.
Antananarivo, 26 Janoary 2024