Fanambarana 003/2023

ANTOKO MALAGASY MIARA-MIAINGA

FANAMBARANA LAHARANA FAHA-003/2023 MIKASIKA NY FANITSAKITSAHANA NY ZO HIFAMORY AM-PILAMINANA SY NY FAHALALAHANA HANEHO HEVITRA

Manoloana ny fanapahan-kevitra mandrara ny fivoriana sy ny hetsika politika an-kalamanjana, ankoatra ireo hetsika politika karakarain’ny fanjakana, ary manoloana ny fanakanan’ny Lehiben’ny Ditsrikan’i Fandriana ny hetsika ara-politika nokarakarain’ny Malagasy Miara-Miainga (MMM) ny Zoma 21 Aprily 2023 tao amin’ny Kaominina Imito, ny MMM dia :

  1. Manamafy fa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana dia manitsakitsaka ny andininy faha-10 amin’ny lalam-panorenan’ny Repoblika fahefatra, ny andininy faha-20 amin’ny Fanambarana iraisam-pirenena mikasika ny zon’olom-belona, ny andininy faha-21 amin’ny Fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zon’ny olom-pirenena sy ny politika izay neken’i Madagasikara ny taona 1971 sy voarakitra ao amin’ny savaranonandon’ny lalam-panorenana, ary ny andininy faha-28 ao amin’ny lalàna laharana faha-2011-012 mikasika ny antoko politika izay milaza fa malalaka ny fivoriana sy ny hetsika an-kalamanjana ataon’ny antoko politika.
  2. Nandà teo anivon’ny fitsaràna mahefa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Lehiben’ny Distrikan’i Fandriana ny 19 Aprily 2023, izay niainga avy tamin’ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ary nanasongadina ny fifanoheran’ireo fanapahan-kevitra ireo amin’ny lalam-panorenana ho fampiharana ny tapany faharoa amin’ny andininy faha-118 amin’ny lalam-panorenana. 
  3. Miantso ny Fitsaràna avo momba ny lalam-panorenana hanambara fa tsy mifanaraka amin’ny lalam-panorenana ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana mikasika ny fivoriana sy ny hetsika politika an-kalamanjana mba hiarovana ny zo fototra hifamory am-pilaminana sy ny fahalalahana maneho hevitra hametrahana ny demokrasia.
  4. Mahita fa ny fahefana mivangongo amin’ny fanjakana foibe dia mariky ny fihemorana amin’ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana ary manitsakitsaka ny fanapahan-kevitra eny ifotony.
  5. Mampahatsiahy fa ireo lalàna manan-kery, izay tsy manisy fanavahana ny vanim-potoana mialoha sy mandritra ny fifidianana, dia namela malalaka ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny Andry RAJOELINA, izay mbola mpifaninana tamin’ny taona 2018, hikarakara hetsika an-kalalahana sy hitety faritra ivelan’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra.
  6. Milaza fa efa nilaozan’ny toetrandro, ary tokony hajanona tanteraka ny didin’ny be sandry mba hahafahan’ny olom-pirenena eny ifotony misafidy izay laharam-pahamehana sy manatsara ny ampitso ho an’ny isan-tokantrano.

Natao teto Antananarivo, 25 Aprily 2023

Share: